Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Bakalorea 2014 : miparitaka sahady ny taratasim-panadinana

    Niteraka resabe tamin’ny tambajotra sosialy, omaly tontolo, ny fiparitahan’ny kopiam-panadinana bakalorea, tamin’ny taona 2014, taranja anglisy. Nataon’ny olona famonosana mofogasy ity taratasim-panadinana ity ka nahagaga ny maro.

    Manaporofo ny tandrevaka eo amin’ny tompon’andraikitra mpitahiry ireny antontan-taratasim-panadinana ireny izao, hoy ny mpanara-baovao. “Midika izao fa tsy hahafehy ny asany izay nametrahana andraikitra ka mendrika ny hoesorina na hofaizina kosa”, hoy ny sasany.

    “Vao taratasim-panadinana bakalorea tamin’ny roa taona lasa io miparitaka io mainka fa ny tany aloha izany tsy efa tsy hita popoka, hoy ny fanehoan-kevitry ny sasany.

    Tadidio fa mandalo an-tanan-tohatra maro ary iharan’ny fivezivezena ny olona mangataka dika mitovy ireny taratasim-panadinana ireny. Ilaina amin’ny fangatahana vatsim-pianarana na fidirana amin’ny oniversite any ivelany izy ireny indraindray. Izao anefa, hita very eny amin’ny mpivarotra mofogasy izany taratasim-panadinana izany.

    Nitondra fanazavana kosa ny ao amin’ny sampandraharaha mikarakara ny fanadinana nasionaly fa tena saropady ary voatahiry any amin’ny toerana voaaro ireny taratasim-panadinana ireny. Nanamafy ny tenany fa raha misy mahatratra olona mamoaka izany, tokony hoentina hofaizin’ny lalàna.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.