Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basikety : nahazo kianja manara-penitra i Bongolava

    Anisan’ireo faritra manana kianja filalaovana basikety manara-penitra eto Madagasikara koa ny faritra Bongolava. Notokanana, ny alahady lasa teo, ireo fotodrafitrasa miisa dimy, izay nandaniana vola hatrany amin’ny 40 tapitrisa Ar. Mampiavaka ireo kianja ireo ny fisian’ny “panneaux reglables”, izany hoe, afaka mihetsika ka atao amin’izay toerana sy ny haavo misy azy ireo “panneaux”. Araka ny nambaran’ireo teknisianina, ry zareo any Eoropa no manana azy io. Ny ONG Fami na (Fikambanana ho an’ny ankizy mivoatra), niaraka tamin’ilay tetikasa Sepa (Sport et education pour l’avenir), sy ny federasiona malagasin’ny basikety no nahazoana izany. Nambaran’ny tomponandraikitry ny ONG Fami fa tsy mijanona amin’ny sehatra ara-tsosialy fotsiny  ny tetikasan’izy ireo fa misokatra amin’ny fanatanjahantena ihany koa. Nisantarana izany aloha ny basikety fa mbola hihitatra amin’ireo taranja hafa, amin’ny manaraka.

    Hatreto, sekoly 19 ao an-toerana, efa hiasan’ity tetikasa ity. Ny volana oktobra izao, efa hisy fitsapana ireo mpianatra latsaky ny 10 taona avy amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa, hisafidiana izay mendrika, hanaraka fiofanana, omen’ireo teknisianina. Marihina fa manohana ity tetikasa ity koa ireo pretra any an-toerana sy ny “foundation  Real Madrid”, izay nanolotra fitaovana toy ny baolina sy “maillot”.

    Ankoatra izay, azo handraisana hetsika ara-javakanto koa ny kianja, izay mahazaka mpijery 18.000.

     Tompondaka

     

    Les commentaires sont fermées.