Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sombintsombim-baovao

     Kitra : nodimandry i Masondahy Dauphin

    Misaona ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy, indrindra ny baolina kitra. Nodimandry, omaly teo amin’ny faha-72 taony, ny kolonely Masondahy Dauphin. Tao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra ny tena nahalalana azy. Mpanazatra ara-moraly ny Barea de Madagascar  ny tenany fony fahavelony. Ankoatra izay, efa nitondra ny ekipam-pirenen’ny zandarimaria koa i Masondahy Dauphin, amin’ny maha zandary azy.

    CJSOI : nomena vola ireo atleta

    Noraisin’ny filoham-pirenena, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ireo atleta niatrika ny lalao CJSOI. Tamin’izany ny nanolorany fankasitrahana ireo ankizy, nandrombaka medaly, nandritra iny fihaonana iny. 600.000 Ar isaky ny medaly volamena azo no nomena ireo nandrombaka izany. 350.000 Ar  kosa ny volafotsy ary 200.000 Ar ny an’ireo nandrombaka alimo.

     

    Les commentaires sont fermées.