Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    «Sport scolaire» : ratsy fanomanana ny tany Toamasina

    “Anisan’ny fanomanana ratsy indrindra hatramin’ izay ny nikarakarana ity fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly “sport scolaire” eto anivon’ny faritra Atsinanana ity”, hoy ny mpampianatra sady raiamandreny na mpianatra mandray anjara amin’ ity fanatanjahantena an-tsekoly, izay tanterahina eny amin’ny kianja fanaovam-baolin’ny fivondronana, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy. Tsy vitan’ izay fa miahiahy amin’ny loza mety hitranga noho ny fahanteran’ny “tribune” izy ireo. Sao mantsy ireo ankizy tsy manan-tsiny no tra-doza amin’ny tsy fikarakaran’ny tomponandraiki-mpanjakana izany fotodrafitrasa izany. Marihina fa efa mivoaka avokoa ny vy satria vaky ny «beton» sy simenitra amin’ilay “tribune”.  “Tsy tokony ho amin’ ity kianja ity intsony no hanaovana lalao ara-panatanjahantena ho an’ny ankizy madinika”,  hoy hatrany ilay mpanabe.

    Etsy andaniny, anisan’ny notsikerain’ny rehetra koa ny fahatarana teo amin’ny lafiny rehetra. Niantomboka tamin’ny filaharana namakivaky ny tanàna ka hatramin’ny fiandrasana ny lehiben’ny faritra, izay tsy tonga raha tsy tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Tsiahivina fa maharitra efatra andro  ity fifaninanana hifantenana ny solontena hanatrika ny fifaninanana nasionaly hatao any Fort-Dauphin ity.

     Sajo

     

    Les commentaires sont fermées.