Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fidirina eny amin’ny lycée : izay mahazo salanisa ambony no horaisina

    630 fara-faha-betsany ireo mpianatra nangataka hiditra taona fahafolo ao amin’ny Lycée Rabearivelo Analakely amin’ity taom-pianarana ity. Nambaran’ny provizera Razafindrakoto Herizo fa ho 50 fara-faha-betsany ireo mpianatra isaky ny kilasy amin’ireo kilasy 12 hita ao amin’ity sekoly ity.

    Araka izany, ireo mpianatra nahazo salan’isa ambony tamin’ny fanadinana BEPC farany teo no horaisina. Efa nihatra hatramin’ny taon-dasa izany fepetra izany ka nihatsara ny vokatra tamin’ny taom-pianarana farany teo.

    Sambany teo amin’ny tantaran’ny sekoly no nisy mpianatra nahazo salan’isa 16 na 17/20 nifindra taona faha 11 na “classe de première”. Mba hitazonana io vokatra tsara io anefa, mangataka ity provizera ity ny hanamafisana hatrany ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra na ireo efa za-draharaha izany na ireo vao noraisina ihany koa.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.