Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fitifirana zandary : sarona ireo fitaovam-piadiana

    Taorian’ny famotorana nataon’ny zandary mikasika ny nitifiran’olona ny zandary GST Tovonirina Jean Ludivin, tany Antanimbary Marerano Manja, ny herinandro lasa teo, manatanteraka hetsika ny zandary avy any Manja. Tsy tratra tao amin’ilay fokontany intsony ireo dahalo fa ny trano voalaza fa nampiantrano azy ireo no nanaovana fisavana. Tratra tamin’izany ny basy FC Baikal calibre 12, niaraka tamin’ny bala miisa 13, bala tokana enina sy bala vita gasy roa. Rehefa natao ny famotorana ilay tompon-trano, nilaza fa olona roa nitifitra ilay zandary io. Karohina, noho izany, ireo roa lahy ireo.

    Fantatra fa mirongatra hatrany ny asan-dahalo any amin’ny faritra Atsimo any, ary ny tena loza, izao mamono zandary izao izy ireo. Tsy voalohany rahateo nisy tranga tahaka izao, izay mampitebiteby ny olona tanteraka. Na izany aza, manao izay ho afany ny zandary amin’ny ady atao amin’ny asan-dahalo.

    Yves S.

     

    Les commentaires sont fermées.