Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Resaky ny mpitsimpona akotry : henatra ! Resaka mihodinkodina

    Mitanjozotra mandady ny fiara handingana lavaka mikitaontaona. Na ny mpamily ireny fiara lazaina ho tsy mataho-dàlana ireny aza dia mihafihafy. Aza mihevitra hoe any ambanivohitra lavitra no ahitana izany. Eto afovoan-tanana, etsy « Bel’air » amin’iny arabe natao hoe « route circulaire » fahiny iny. Ny fisehon’ny làlana dia toy ny tongotra vakivaky izay sady mangirifiry no mahamenatra. Menatra â ? Aoka re. Efa ela no nilaozana teto an-tanàna ny fahamenarana ! Na ny alahelo koa aza efa lany, very andro amin’ny fiferetan’aina tsy hampiova inona. Ho tezitra ary ve ? Tena tezitra tokoa, nefa ny hatezerana dia any amin’ny tena no miantefa voalohany.

    Iza no tompon’andraikitra voalohany nanondrotra ny manam-pahefana eo amin’ny toerana misy azy ? Isika vahoaka. Demokrasia no mifehy ny rehetra hiray hina. Miafina ny safidy ataon’ny tsirairay, izay lanin’ny maro an’isa no safidin’ny rehetra tsy an-kanavaka. Noho izany, tompon’adidy voalohany ny fianankaviambe na isan-tanàna na eto amin’ny firenena. Marina fa mipetraka ny fanontaniana, iza no kianina rehefa mibaribary toy ny vay an-kandrina tahak’izao ny tsy fetezan’ny fitantanana ? Ny ben’ny Tanàna miraviravy tànana, ny minisitry ny Asa Vaventy mibahan-toerana be famaritra fotsiny toy ny rambon’osy, ny filohampirenena asa na jambena na mitaza-potsiny. Ny hany mahamaika ilay minisitra nametrahany iraka manokana dia ny fanatanterahana ilay tetikasa entina ideraderan-tena, volabe no nadoboka ao amin’iny làlana miala etsy Soarano iny. Hitondra aiza anefa ary hamaha olana inona ?

    Miongo-bolo am-pitoerana noho ny hatezerana eo ny tena, fa tsy hahovoka firy amin’izany. Izay tazanina toa samy tompon’andraikitra no sady tsy tompon’adidy avokoa. Voalaza tany am-piandohana moa fa ny tsirairay noho ny maha olom-pirenena azy ao anatin’ny vahoaka dia voalohany amin’ny fizakana andraikitra manoloana ny fikatson’ny raharaha. Inona no anjarany eo amin’ny fikarohana vahaolana sy eo amin’ny fitandroana ny tsy fiverimberenan’ny tranga toy izao, izay tsy voalohany izao ? Miisa roa ny làlana atanintanin’ny mpilalao pôlitika. Mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra, an’ny tsirairay no misafidy na hiolan-ko vy na hiolan-ko vato, tandremo kely sao ataon’ny sasany fitaovana fotsiny ka ho lasa fasika fanitsakitsaka rahatrizay.

    Léo Raz

     

    Les commentaires sont fermées.