Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : fitondrana manao izay saim-pantany

    Ahoana ihany izy ity? Ny raharaham-pirenena, ny fiainam-bahoaka… Tsy hita be ihany. Mafanafana ratsy toa hisy inona iny; avy eo, mangina… Mandra-pahoviana? Mandeha ihany ny fotoana. Mifampiandry kendry tohina?

    Manao sy manohy ny ataony hatrany ny mpitondra: tsy fanarahan-dalàna, kiantranoantrano, tsy fangaraharana… Tsy ahoana na iza hitsikera? Resaka ihany ny hoe fanjakana tan-dalàna, fitondrana tsara tanana, ady amin’ny kolikoly…

    Ahoana indray, ohatra, faramparany teo, ireo mpisafo raharaham-panjakana? Nakarina filankevi-pifehezana any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Ny mikaroka sy mahita ary mamoaka ny marina indray no mitondra faisana?

    Ny voa famaky indray no mandoa lasiray. Ny fanafenana ny ratsy atao no fahaizana politika sy fitantanam-panjakana. Tsy ahoana izay soatoavina repoblikanina, fisaraham-pahefana, lalàna… Karazam-pitondrana inona izao?

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.