Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zandary : hotohanan’ny Amerikanina

    Zandary : hotohanan’ny Amerikanina

     Nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ny lehiben’ny sampam-piarovana eo anivon’ny masoivoho amerikana vaovao, Jason Neale sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg) fa hisy ny fanomezana fitaovam-pampianarana teny anglisy ho an’ny zandary. Hisy koa ny fampiofanana omen’ny masoivoho amerikanina ho an’ny zandarimariam-pirenena malagasy na eto an-toerana izany na any ivelany. Afakomaly no tonga nanatanteraka fitsidihana teny amin’ny Seg ireto tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny masoivoho amerikanina ireto. Nankasitra izao fiaraha-miasa izao ny Seg, ny Jly Paza Didier Gerard.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.