Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Barikadimy : nanome boky ny mpianatra atsy La Réunion

    Barikadimy : nanome boky ny mpianatra atsy La Réunion

    Na eo aza ny firoboroboan’ny teknolojia sy internet eto amintika, mbola azo lazaina ho manana ny maha izy azy sy mitazona ny maha zava-dehibe azy eo amin’ny fikarohana fanamafisam-pahalalana sy fianarana ny boky. Fantatra izany, nandritra ny fanolorana boky miisa 35.000.000 nataon’ny fikambanan’ny mpianatra malagasy mandranto fianarana atsy amin’ny Nosy La Rénion ho an’ny oniversiten’ i Barikadimy, ny alatsinainy teo.

    Ho an’ i Noharinjanahary Manarinarivo, nambarany fa tsy vao sambany nanao fanampiana ny mpiray tanindrazana tahaka izao izy ireo. Nampianatra mamaimpoana teny frantsay ankizy anjatony ao Ilakaka sy nanolotra boky koa ireto mpianatra ireo. Nanome boky ho an’ny ankizy amin’ny lycée miankina amin’ny fanjakana maromaro eto amin’ny firenena mialoha izao hetsika eny anivon’ny oniversite izao. Ho an’ny filoha lefitry ny oniversiten’i Barikadimy kosa, tafahaona ny tia sy ny manina satria efa saika hanafatra boky avy any ivelany ny oniversite no tonga ny fanampiana mamaimpoana natolotry ny fikambanana malagasy mandrato fianarana any ivelany. « Saika hividy boky lafo ny oniversite ka nanolotra fisaorana lehibe ho an’ ireo mpianatra malagasy tsara sitrapo », hoy ny profesora, Emile, filoha lefitra anivon’ny fiadidian’ny oniversiten’ i Barikadimy.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.