Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haody : fanatontoloana ny kolontsaina

    Fa angaha moa voatery handalo izany fanatontoloana izany avokoa ny rehetra ! Tsia ! Raha ny kolontsaina sy ny zavakanto, ohatra, mety ho toy ny fady ny fidirana ao anatin’io « fanabontoloana » io satria ho montsana tanteraka ny maha izy ny firenena iray raha izay no mitranga. Raha ho an’ny hira manokana, manana ny salegy, bahoejy,  bagasy, sns, ny Malagasy. Tsy maintsy hampidirina anaty « fanabontoloana » ve ireny vao antsoina hoe « hira ».

    Tsy voatery ho tafiditra ao anatin’io paikady napetraky ny tandrefana io akory vao hivelatra ny kolontsaina sy zavakanto. Azo atao tsara ny mitazona ny an’ny tena. Izay aza ny fomba haingana hampatanjaka ny kolontsain’ny firenena toa an’i Madagasikara.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.