Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Resaky ny mpitsimpona akotry : fampiboridanana lasa vonjy aina

    Fanta-poko fanta-bahoaka fa heloka ny fanaovana fitsarana an-dàlambe. Heloka bevava raha miafara amin’ny fahafatesan’ olona. Tsy lefitry ny mponina intsony ny firongatry ny asa ratsy izay tsy voatohitry ny mpitandro filaminana no tsy voaheloka arak’izay tokony ho izy eny amin’ny Fitsarana. Maro ireo vondron’olona izay, noho ny fitombon’ny hetraketraka, no tsy mahafehy tena rehefa mahatratra ambodiomby na mahasambotra mpanao ratsy. Ny daroka aloha no tonga ao an-tsaina. Tsy te hahalala izay vokatr’izany. Tsy anavahana lahy sy vavy intsony moa ankehitriny ny fanaovana asan-jiolahy. Rendrika amin’izany koa ny jiovavy, soa ihany fa mbola azo lazaina ho  vitsivitsy. Ho an’ireo tanora mpanendaka tratra teny Ankorondrano soa ho azy fa vehivavy izy telo. Asa na zazavao amin’izany asa ratsy izany na efa ela nitoratorahana ka sendra ny taolana. Tratran’ny fokonolona izy telo raha avy nanao sito-maherin’ny kitapon’ny vehivavy efa zokinjokiny. Ho darohana moa, vitsy ireo sahy hikasi-tanana fanaka malemy. Tsy mahatoky koa anefa ny betsaka mikasika ny famaizana azy raha hatolotra ny manam-pahefana ireto kala ratsy ireto. Asa izay nahita hevitra amin’ny fanaboridanana azy ireo. Hevitra valavala ihany nefa sahaza ny maha jiolahimboto ny sintomahery. Na izany aza dia fitsarana an-dalambe mbola heloka ihany izany araka ny lalàna velona. Velona aiza intsony ity lalàna ? Izany no asetrin’ny feo maro. Tsy vitsy ny olona eo anivon’ny fiaraha-monina no misalasala na raiki-piheverana mihitsy momba ny tsy fisin’izany fanjakana izany. Tsy eo hono ny solontenany rehefa ilaina, injay anefa heno mirodorodo, matetika mialoha làlana fahasorenana. Izany ve hono azo atao hoe fanjakana ? Maro ireo mandika vilana mitsikera izany ho fanjakazakana.

    Sompatra ny fiainana indraindray ka tsy hita hampisehona di-doha. Lany izao ny fitokisan’ny mponina, tsy mianki-doha amin’ny fanjakana no tsy mino na manantena firy izany fampandrosoana izany. Raha ny lehibe no miady tsy hita hampiombonina, tsy ny vahoaka indray izay tsy mifanao kakay no lazaina handaniana andro amin’izany fifampihavanana izany. Tsotra ! Raha ny fitantanana sy ny fanaovana pôlitika no tanterahana ara-drariny dia mihavana ho azy amin’ny fanjakana ny vahoaka.

    Léo Raz

    Les commentaires sont fermées.