Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    TPFLM : mihodina ara-dalàna ny orinasa

    TPFLM : mihodina ara-dalàna ny orinasa

    « Diso tanteraka ny filazana fa misedra fahasahiranana ny Trano printy FLM (TPFLM)…», hoy i Tianarimanana Soloniaina, anisan’ny komity mpitantana eo anivon’ny TPFLM, omaly teny Antaninarenina. Nohamafisiny fa « na eo aza ny fahasarotan’ny fitantanan-draharaha noho ny fanatontoloana sy ny zavatra hoentiny, hatramin’ny androany, mijoro sy mihodina ara-dalàna ity orinasa ity ». Tsy mbola nisy ny tsy fandraisana karama na fanenana ny tombontsoan’ny mpiasa. Tsy nisy ny filanjana « banderole » maneho tsy fankasitrahana, sns. Nambarany fa manameloka ny fanambarana tahaka ireny ny komity mpitantana sy ny mpiasa. « Tsy avelan’ny mpiasa mahatratra 120 ho faty na handady ity orinasan’ny fiangonana loterana ity », hoy izy. Raha ny fanazavana nomena omaly hatrany, orinasa mamelon-tena ny TPFLM fa tsy misy « subvention »  hafa avy any ivelany mamatsy azy.

    Fantatra fa handia ny faha-140 taony amin’ny taona 2017 izao ny TPFLM. Efa any an-dalana amin’izao fotoana izao ny milina mitentina 600 tapitrisa Ar hampitomboana sy hanatsarana ny asan’ity trano printy ity. « Ny 29 aogositra izao no handraisana azy io. Manaporofo izany fa mihodina ny orinasa », hoy hatrany ny solontenan’ny komity mpitantana.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.