Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Analanjirofo : sakafo lany daty marobe nodorana

    Analanjirofo : sakafo lany daty marobe nodorana

    Mahatratra 70 kg ireo karazan-tsakafo lany daty mbola hita teny ambony fivarotana sy magazay tao anatin’ny distrika miisa telo : Vavatenina, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana. Nogiazana avy hatrany ireo sakafo lany daty ireo ka nodorana teo imason’ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. Nandritra ny fidinana nataon’ny sampandraharahan’ny varotra sy ny fanjifana ao anatin’ny faritra Analanjirofo no nahazoana izao vokatra izao, araka  ny fanazavana voaray. “Mba hisorohana ny fahasalamam-bahoaka indrindra amin’izao fahatongavan’ny mponina maro manao fialan-tsasatra no anton’izao fitsirihana izao ary manana andraikitra amin’izany ny sampandraharahan’ny varotra sy ny fanjifana”, hoy ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana, Mahatratra Bien Aimé. Vokany, karazan-tsakafo maro sy zava-pisotro no hita fa lany daty izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamam-bahoaka. Na teo aza izany fitsirihana nataon’ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny varotra sy ny fanjifana izany, mamporisika ny rehetra mba hijery daty hatrany mialoha ny hividy entana, ny talem-paritra.

    Mivangongo ny sakafo lany daty eto amintsika ary tsy any Analanjirofo ihany fa na eto an-dRenivohitra aza ahitana izany koa, toy ny eny Isotry. Ifandrombahan’ny olona rahateo izany satria tsy mahalala ny olona fa babon’ny entana mora fotsiny.

    Sajo sy Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.