Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiba 3×3 – Challenge National : hotoloran’ny Telma 500.000 Ar ekipa ny tompondaka

    Raikitra. Hotanterahin’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) sy ligin’i Boeny ary ny orinasa Telma, mpanohana ôfisialy ny basikety malagasy, anio 13 aogositra sy rahampitso 14 aogositra, eny amin’ny Soma Village, any Mahajanga, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Fiba 3×3 na “Challenge National Fiba 33”. Nampitondraina ny anarana “Big Sôma Fiba 3×3” ny hetsika tamin’ity indray mitoraka ity.

    Araka izany, hotoloran’ny Telma lelavola mitentina 500.000 Ar kosa ny ekipa mandrombaka ny laharana voalohany amin’izany. 250.000 Ar kosa ny faharoa. Mitentina 400.000 Ar indray ny azon’ny voalohany eo amin’ny sokajy vehivavy ary 200.000 Ar ny faharoa.

    Hiady tanteraka, araka izany, ny fihaonana eo amin’ity andiany faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny Fiba 3×3 ity.

    Hiaro ny anaram-boninahiny amin’ny maha tompondaka farany azy eo amin’ny sokajy lehilahy ny ASCB raha ny BC4 kosa ny eo amin’ny vehivavy. Voalaza fa manana solontena enina ny ligin’i Boeny, mpampiantrano, raha ekipa enina kosa avy amin’ireo ligim-paritra hafa ary miampy ireo ekipa mitana ny laharana efatra voalohany tamin’ny andiany teo aloha.

    Ankoatra izay, somary hiavaka kely tamin’ny teo aloha ity andiany faharoa ity. Hotanterahina amin’ny alina mantsy ny fifaninanana.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.