Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Henjana ny fanambaran’ny Fivondronamben’ny eveka : fitondrana tsy mahomby, mpanao fampanantenana poakaty…

    Henjana ny fanambaran’ny Fivondronamben’ny eveka : fitondrana tsy mahomby, mpanao fampanantenana poakaty…

    Nivory maika, tsy ara-potoana ny eo anivon’ny fivondronamben’ny eveka tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny nivoitra tamin’ny fehinkevitra ny raharaham-pirenena. Mazava ny hafatra. « Fitondrana tsy mahomby… mpanao fampanantanana poakaty… », hoy ny mpitondra teny, Mgr Rabemahafaly Fulgence

     Nanombohan’ny eveka ny hafatra ny filazana ny andininy ao amin’ny Soratra Masina fa toy ny ondry tsy misy mpiandry ny vahoaka malagasy. Nohitsin’izy ireo fa fitondrana tsy nahay naka lesona ireo mpitondra nifanesy ka nahatonga izao fahavoazana izao. « Misarika ny saintsika, tsy hanadino ny tantara amin’izao faha-56 taon’ny Fahaleovantena izao… Indrisy anefa fa misy aizina mandrakotra. Marary i Madagasikara. Misy miteny hoe efa miala aina, milentika ny firenena ; miraviravy tanana ny mpitondra, fitondrana tsy mahomby, miharo lainga ; mpanao fampanantenana poakaty… », hoy ny eveka. Nohitsin’izy ireo fa mahazo vahana ny herisetra, tsy voahaja ny hasina maha  olona, tsy voatsinjo ny madinika, goragora ny fiarahamonina. Nametra-panontaniana ny eveka. « Aiza ny sori-dalana mazava ho an’ny fanabeazana. Mifampiahiahy ny mpiara-monina ; potika ny soatoavina , mifanjevo ny ara-pinoana… Hararaotina hanaovana kabary politika ny fivahanana. Jereo ny halatra lakolosy arahina fandrahonana. Iza no ao ambadika ? » hoy ihany izy ireo.

    Fanodinkodinam-bola… Mihanaka ny baranahiny

    Nanterin’ny eveka fa mikorontana ny fitantana ara-politika  sy toekarena ary tsy manao ny asany ny mpanara-maso manoloana  ny fanodinkodinam-bola ka mihanaka tanteraka ny baranahiny, araka ny hafatra ihany. « Tsy misy sori-dalana mazava. Tsy voafehy ny fitrandrahana ny harem-pirenena hitsinjovana ny soa iombonana. Mikororosy fahana ny sosialy ary tsy mandry fahalemana ny tany. Mamatotra tanteraka ny kolikoly  nefa misy ny tsimatimanota amin’ireo tompon’andraikitra sy ny manodidina, tsy voatsinjo ny zo aman-kasin’ny vahoaka madinika. Tafahoatra ny  fitiavam-bola. Lasa  fanjakan’i Baroa ny eto amintsika ary leo ny vahoaka », hoy izy ireo.

    Voatsikera koa ny mpanohitra

    Nahazo ny anjarany koa anefa ireo mitonona ho mpanohitra ka nilazan’ny eveka fa maro ireo mila fanovana. Miforona ireo vondrona antoko sy sendikà na koa fiarahamonim-pirenena ka mitondra  vahaolana amin’ny Tetezamita vaovao. « Izany ve ny vahaolana ? Misy ireo mampiasa ny hafatry ny eglizy hanamarinana ny teniny. Aoka tsy hanararaotra. Raha  jerena,  fitadiavana fahefana sy hitadiavana seza sy vola. Matetika ireo teo aloha ihany no miverina nefa tsy mahavita na inona na inona. Tsy vitan’ny kobaka am-bava fa mila fiovan’ny toe-tsaina entanin’ny fitiavan-tanindrazana », hoy ny eveka.

    Mila olom-baovao

    Manoloana izany,  nanolotra  vahaolana maharitra ny fiangonana ka nilaza fanompoana firenena sy ny vahoaka ny fahefana. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana. Ampiana sy beazina ny olom- pirenena hiana ny hasina maha olona sy ny soa ho an’ny daholobe. Tsinjovina ny tanora ary ampandraisana andraikitra. « Mitaky ny fijoroana olom-baovao hampisy risi-po ny maro izany… Hajaina ny lalàna velona ; hapetraka ny fanaraha-maso, hampandeha ny fiainam-pirenena, tsy hirona amin’ny faharavana… Ampirisihana ny vahoaka tsy hiraviravy tanana fa hiray hina ary tsy hatao fitaovana hahazoana fahefana », hoy ihany izy ireo.

    Synèse R.   

    Les commentaires sont fermées.