Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fijerena « éclipse » ao Mahajanga : vonona ny ao Katsepy handray ny hetsika

    Hanomboka amin’ny 12 ora sy 45 mn ary haharitra hatramin’ny 2 ora sy 25 mn ny fanakonan’ny volana ny masoandro any Mahajanga ka hahatratra 94% ny fahitana izany tranga izany any an-toerana, araka ny vaovao nambaran’ny ofisim-paritra momba ny fizahantany any Boeny. Nitsangana ny komity hisahana ny fikarakarana rehetra mandritra ny tranga « éclipse ». Nambara fa ao Katsepy, distrika Mitsinjo no handraisana ny olona hijery ny éclipse rehetra ny 1 septambra ho avy izao. Ankoatra ny fijerena ny éclipse, manomana hetsika maro hampahafantarana ny zava-misy ao an-toerana ny komity. Anisan’izany ny toerana voaaro ao Marambitsy. Manana faritra roa voatokana ahitana tsara ny éclipse ny faritra Boeny ao Aranta sy Ampitsopitsoka. Vonona avokoa ny fotodrafitrasa (trano…) handraisana ny mpijery éclipse sy ny fitaovam-pitaterana an-dranomasina sy an-tanety ho an’ny Malagasy sy vahiny liana amin’izany. Nisy ny fanentanana natao ho an’ny mponina ao Mahajanga amin’ny tokony hampiasana ny solomaso manokana raha hijery ilay éclipse tsy handoro ny anakandriamaso.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.