Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    CUA : nankasitrahana ireo mpamafa lalana 500

    CUA  : nankasitrahana ireo mpamafa lalana 500

    Notsimbinina manokana ireo mpamafa lalana ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny asabotsy teo. Nampisakafoan’ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao izy ireo ary nizarana yaourt sy paty. Nisy rahateo ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa AAA Magro tamin’izany.

    Mendrika ka nankasitrahana ireo mpiasa tena manatanteraka ny asa fanadiovana ny Renivohitra.

    500 mahery ireo mpamafa lalana mahafatra-po amin’ny asany andavanandro avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo.

    Asa mafy mitaky herim-po sy herim-batana ary fanetren-tena tokoa amin’ny ankapobeny no sahanin’ireto sokajina mpiasa ireto andro aman’alina. Mendrika azy ireo ny fankasitrahana toy izao.

    Fotoan’ny asa izao, ampy izay ny fihetseham-po”, hoy ny ben’ny Tanàna. Tsy maintsy ankasitrahana izay tena manao ny asany, ary handraisana fepetra hentitra ireo manao tandrevaka.

    Notsindriny mafy fa tsy maintsy haverina ny hasin’Antananarivo izay tokony ho modely amin’ny maha-dRenivohitr’i Madagasikara azy.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.