Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    «Festival Kanetibe 2016» : nahitana talenta vaovao ny fihaonana

    Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo tetsy amin’ny kianja CBT Mahamasina, ny andiany faharoa amin’ny «Festival kanetibe 2016». Tonga maro ireo mpifaninana, izay nahitana mpilalao avy any amin’ireo fokontany sy ireo faritra samihafa. Niakatra ny lentan’ny fihaonana satria nahitana mpifaninana tsy mbola fantatra anarana nefa manana ny fahaiza-manaony ary nanozongozona ireo efa kalaza. Tsara ny fikarakarana sy ny fanomanana ary fanirian’ireo mpilalao rehetra nanatrika ity «Festival kanetibe 2016» ity ny hanaovana ny fihaonana isaky ny telo volana na isaky ny enim-bolana, mba hahafahana mitrandraka ireo talenta vao.

    Mandra-piandry izany, toy izao ireo voka-dalao rehetra. Lasan’i Zino sy i Mbola ary i Namby ny fihaonana teo amin’ny olon-telo miaraka lehilahy. Resin-dry zalahy teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 noho 10, i Nosoavina sy i Nary ary i Bolo. I Hery sy i Papa kosa ny nandrombaka ny amboara teo amin’ny “doublette boss”, rehefa nanilika an’i Parfait sy Razy, teo amin’ny famaranana. I Hasina sy i Nathalie ny teo amin’ny olon-droa miaraka vehivavy izay nandresy an’i Mireille sy i Judicaelle, tamin’ny isa 13 noho 7. Mbola nisongadina kosa ny traikefan’i Mamy (Gauche), teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, rehefa nandresy an’i Njara, tamin’ny isa 13 noho 11, ary i Leroy sy i Nary, nahazo ny voalohany teo amin’ny “doublette elite boss”, rehefa nandavo an’i Lalaina sy i Jacky, tamin’ny isa 13 noho 9.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.