Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nosy Be : teratany seychellois 4 tratra nitondra rongony

    Tratran’ny polisin’ny Paf (Police de l’air et de frontière) Nosy Be, nitondra rongony “goudron” milanja 1kilao sy sasany, ny teratany seychellois miisa efatra, handeha ho any Seychelles ny alahady teo. Rongony amin’ny karazany antsoina hoe “goudron” na fonosan-drongony hosorana menaka azo avy amin’ny rongony ihany fa marihitra miloko mainty izy io, izao tratra izao. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Paf Nosy Be, saika hiondrana an-tsambo ho any Seychelles ireo teratany vahiny ireo izao tratra izao. “Ny 13 aogositra izy ireo no tonga taty Nosy Be. Ny 14 aogositra kosa, nilaza ny handeha hiverina any amin’izy ireo, kanjo niova ho alahady indray izany. Nahamahana ny fihetsiny ka narahi-maso”, hoy ny fanazavana. Ny alahady tamin’ny 4 ora maraina, tratran’ny polisy nividy ireo entana tao anaty trano fisotroana izy ireo. “Polisy maro niaraka tamin’ny basy mihitsy ny tonga teny an-toerana mba nanamorana ny fisamborana sy ny mety ho famaliana ataon’ireo teratany vahiny. Nanaiky nanaraka mora foana izy efatra”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Rehefa nosavaina, nahitana ireo rongony antsoina hoe “goudron” ireo tany amin’izy ireo. Voalaza fa manodidina ny 800 euros (2.400.000 Ar eo ho eo) ny vidin’ny iray fehezana amin’izy io

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.