Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hetsika eny amin’ny 13 mey : hanohana ny AFP ny RMTF

    Hetsika eny amin’ny 13 mey : hanohana ny AFP ny RMTF

    Hanamaro isa. « Ho avy hanohana ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho an’ny fanorenana ifotony (RMTF) izahay satria tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana ny firenena. Voahitsakitsaka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna. Tsy misy fijerena ny tombontsoan’ny vahoaka. Tsy misy ny demokrasia sy ny fahalalahana miteny, manjaka ny tsy fandriampahalemana », hoy ny mpitarika ny Atrefa, Randrianantoanina Bryan, omaly tetsy 67 ha. Manainga ny rehetra izy ireo ho tonga maro eny amin’ny kianjan’ny 13 mey rahampitso. « Hamerina ny demokrasia isika ary hamerina ny fahefana any amin’ny vahoaka », hoy ihany izy.

    Tsiahivina fa anisan’ny mitarika ny RMTF ireo mpanao politika maromaro, toy ny pastora Tsarahame Edouard, ny antoko AKFM. Eo koa ny mpitarika ny DHD, Naivo Rasamoelina, Nosy be miray miara-dia amin’i Joseph Yoland ary Harison Razafindrakoto.

    Synèse R. 

     

    Les commentaires sont fermées.