Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Lalao Olympika (JO 2016) : nosamborin’ny polisy i Joseph Hickey

    Lalao Olympika (JO 2016)  : nosamborin’ny polisy i Joseph Hickey

     Nitrangana zavatra tsy nampoizina ny “Lalao Olympika” tanterahina any Rio de Janeiro, Brezila, omaly alarobia. Nosamborin’ny mpitandro filaminana, tany an-toerana, mantsy ilay teratany irlandey, Patrick Joseph Hickey, filohan’ny Komity olympika eoropeanina. Voasoketa ho nivarotra tapakila risoriso, amin’ireo fifaninanana samihafa any amin’ity “Lalao Olympika” ity ny tenany. Tsiahivina fa 71 taona ny lehilahy, ankehitriny. Tratry ny tsy fahasalamana tampoka i Patrick Joseph Hickey, raha vao tratry ny polisy, araka ny nambaran’ny Globo, ary voatery nentina haingana tany amin’ny hopitaly Samaritano, ao Barra da Tijuca. Na eo aza ny fisian’ity tranga ity, tsy mahasakana ny fitohizan’ny fifaninanana any an-toerana. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny nahazoan’ilay Jamaikanina, Omar Mac Leod, ny medaly volamena teo amin’ny 110 m misy fefy. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 13 s 05 izany halaviran-dalana izany. Nandrombaka ny medaly volafotsy kosa ilay Espaniola, Orlando Ortega, tamin’ny 13 s 17 ary i Dimitri Bascou kosa ny medaly alimo, izay nahavita izany tamin’ny 13 s 24.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.