Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mahajanga-Antananarivo : taksibrosy 21 tratra tsy nanara-dalàna

    Betsaka ny mpandeha amin’ny zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga fa miakatra hatramin’ny 35 000 Ar ka hatramin’ny 40 000 Ar ny toerana iray amin’ny kaoperativa COTRAG, BESADY, CRISTAL, KOFMAD. Misy koa ireo mpitatitra manararaotra tsy manaja ny isan’ny mpandeha fa lasa dimy ny olona amin’ny seza. Vokany, nisy ny fampatsiahivana ny fanajana ny mpandeha teny anivon’ny toerana fivarotana ny tapakila ho an’ny kaoperativa tany Mahajanga nahazoana fitarainana. Voalazan’ny tomponandraikitra mpivarotra ny tapakila fa ny mpamily mihitsy no mandà tsy hitondra ny mpandeha amin’ny saran-dalana 30 000 Ar isan’olona.

    Nisy ny fanaraha-maso natao teny ifotony ny 16 aogositra alina lasa teo tamin’ny taksibrosy 131, mialoha ny hidirana any Mahajanga sy Maevatanàna. 21 ny tratra tsy nanara-dalàna. « Hitohy ny fanasaziana ny tsy manara-dalàna indrindra ireo efa nahazo fampitandremana nefa mamerina indray », hoy ny tomponandraikitra misahana ny fitantanana ny fitaterana an-tanety.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.