Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ralambomahay Toavina : “Manana anjara amin’ny hetsi-bahoaka ny firaisamonina sivily”

    Ralambomahay Toavina : “Manana anjara amin’ny hetsi-bahoaka ny firaisamonina sivily”

     Mby aiza ny raharaham-pirenena? Mifamahofaho be ihany. Eo, ohatra, ny fijoroan’ny vondrona na hetsika samihafa… Maneho ny fijeriny ny mpamakafaka ara-politika ary mpanohitra ara-dalàna na “légaliste”, Ralambomahay Toavina: “Manana anjara amin’ny hetsi-bahoaka ny firaisamonina sivily.” Dinidinika…

     

    Gazety Taratra (*): Misy ny vondrona na hetsika mitaky ny fialan’ny mpitondra miaraka amin’ny vava. Ahoana ny hevitrao?

     

    Ralambomahay Toavina (-): Sokajina ho mpanohitra ny vondrona toy izany. Mety ho marina tokoa izay, raha ny fepetra taloha no jerena. Nefa efa misy fepetra vaovao izao: ny lalàna momba ny mpanohitra. Tsy nisora-tena ho mpanohitra, araka ny lalàna, ireo vondrona ireo. Raha nanao izany izy, toy ny mankato ny fitondrana ary manaiky ny hitondrany hatramin’ny fahataperan’ny fotoam-piasana hatramin’ny taona 2018.

    Nefa mitaky fialan’ny mpitondra izao ankehitriny izao izy ireo. Tsy mety aminy tokoa izany io lalàna io. Midika avy hatrany ho fanekena ny mpitondra ny fanarahana io lalàna io, saingy manohitra izany ary miandry fifidianana. Tsy voatery ho fifidianana filohan’ny Repoblika io, fa na fifidianana solontenam-paritra na ben’ny Tanàna, sns, aza.

    Manaiky an’io lalàna io izahay nisoratra anarana any amin’ny minisiteran’ny Atitany, araka ny lalàna. Marina fa difotra izahay amin’izao. Nefa tsy manakana ny fanadihadiana izany.

    * Ahoana ny amin’ny antso ho amin’ny fikaonandoham-pirenena?

     – Fikaonandoham-pirenena, ohatra, ny anarany amin’izao. Fa fahamarinana sy fampihavanana izany tamin’ny taona 2003: fihaonana an-tampon’ny ankolafy efatra mivelatra talohan’ny fifidianana amboletra, taona 2013. Nefa tsy nisy nihaino ireo mpanao politika vitsy anisa teo anoloan’ireo mpanao politika sy firaisamonina sivily ary fiombonambe iraisam-pirenena, samy maika hanao iny fifidianana mampitohy ny fidirana amin’ny kizo iny.

    Izao indray vao mitaky an’io karazana fikaonandoha io ireo mpanao politika, firaisamonina sivily, vondrona iraisam-pirenena. Fifandanjan-kery io… Raha mahatsapa tena ho marefo ny fitondrana, vao hisy io. Nefa mbola niverina nifidy ny antokon’ny mpitondra tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny vahoaka, na tena mijaly aza. Noho izany, lasan’ny antoko mpitondra avokoa ny andrimpanjakana rehetra.

    * Aiza ho aiza ny anjara toeran’ny firaisamonina sivily amin’izany? 

    – Ho hitantsika eo… Tsy misy jery lavitra ny fiainam-pirenena aloha izao. Manjavozavo izany. Ny tantara no ndeha hitarafana ny ho avy. Marina tokoa fa nanana anjara toerana lehibe hatrany ny firaisamonina sivily tao anatin’ny hetsi-bahoaka teto Antananarivo, ary niafara matetika tamin’ny fialan’ny mpitondra.

    Tamin’ny 1971, ohatra: nitsangana voalohany ny antoko politika Monima an’i Monja Jaona. Avy eo, ny mpianatra teto Antananarivo: izany hoe tsy antoko. Na ny antoko mpanohitra tamin’izany aza, tsy narisika hitokona: ny AKFM an’Andriamanjato Richard, izay ben’ny Tanàna rahateo.

    Tamin’ny 1991 sy 2002, ny FFKM sy ny KMF/Cnoe no nanomboka nanongana an-dRatsiraka. Ary nanomboka ny fitakiana nanohitra an-dRavalomanana ny Conecs, CDE, Sefafi… Amin’izao izany, mihetsika ny Justice et Paix, ny mpanao gazety, ny Eveka, ny Rohy izay masiaka mihitsy…

    * Inona no mety mahatonga izany? Na ny dikany…  

    – Tsy sahy manao politika ireo tezitra, ka miafina anatina firaisamonina sivily. Milaza mazava, ohatra, ny mpikaroka, Rabemananoro Erick, fa fomba iafenana amin’ny politika ny firaisamonina sivily (1). Na izany aza, na tiana na tsia: matoky tsara izao fitondrana izao ny vahiny. Manana ny maridrefiny amin’izany izy ireo.

    Aoka isika Malagasy hahay hanararaotra ny fanampian’ny vahiny, satria zara aza misy an’izay. Mahagaga tokoa aloha… Raha vakina tsara, ohatra, ny kabarin’ny vahiny toy ny Amerikanina, ny Vondrona eoropeanina, ny masoivoho tamin’ny kabary teny Iavoloha, tamin’ny volana janoary: tena mitsikera be izy ireo tamin’izany.

    Tsy misy jery lavitra azo atao aloha izao ny amin’izay. Satria toa mbetika mitsikera be ny vahiny, nefa toa mamatsy vola ihany. Tsy hay intsony… Tokony hivondrona ka hitondra ny fireneny ny Malagasy mitovy hevitra.

    Nangonin’i R. Nd.

    (1) “[La] politisation de la société civile, […] est […] le refuge de partis politiques qui n’ont pas le courage de s’affirmer comme tels, et préfèrent s’enregistrer sous le régime d’association […] “, “Nota bene” navoakan’ny Banky iraisam-pirenena, jona 2012.

    Les commentaires sont fermées.