Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tambajotran-tserasera : « Facebook Flex », tolotra vaovaon’ny Orange

    Tsy azo ihodivirana intsony. Mitombo isan’andro, ary efa filàna ny fampiasana ireo tambajotran-tserasera isan-karazany. Malaza sy be mpampiasa indrindra ny « Facebook », ary tsy mitsaha-mitombo ny miditra ao aminy. Ho famaliana izay filan’ny mpanjifa izay, nampahafantatra ny « Facebook Flex », izay tolotra vaovao ny Orange Madagascar.
    Afaka mampiasa ny Facebook tsy handoavam-bola ny mpampiasa azy, ka rehefa hijery sary ihany izy vao mivadika amin’ilay handoavam-bola. Natao izany mba hampihena ny saran’ny fampiasana ny tambajotra, ahahafan’ny mpanjifa mifanerasera bebe kokoa”, hoy ny fanazavana omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Orange Madagascar Ankorondrano.
    Samy naneho izay finiavana hampandroso ny fampiasana ny teknolojian’ny fifandraisana izay avokoa ny avy ao amin’ny Orange Madagascar, minisiteran’ny fifandraisan-davitra ary ny solontenan’ny Facebook, omaly. Anisan’ny vaovao lehibe nanampy izany mantsy ny fisian’ny “Facebook” amin’ny teny malagasy. Hanamora bebe kokoa ny fampiasana azy ny tanjona, izay mifanandrify amin’ny an’ny orinasa Facebook. Amin’izy ireo mantsy, mila mifandray izao tontolo izao, ka tsy hisy intsony ny elanelana ara-niomerika.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.