Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy fanarahan-dalàna… : polisy 15 efa naiditra… “violon”

    Manoloana ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny sasantsasany ao amin’ny polisim-pirenena, miisa 15 ireo polisy efa naiditra violon. Sazy amin’ny maha polisim-pirenena no nampiharina tamin’izy ireo satria rehefa misy fandikan-dalàna, tsy maintsy ampiharina ny sazy, izany hoe mandika ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny polisim-pirenena”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny Commissariat Central ao Tsaralalana, ny Commissaire principal de police, Tsaramonina Ravony. Tsy vao izao, araka izany fa efa maro ireo polisy mandika lalàna sy manao fihetsika manohintohina ny olona eny an-dalambe. Isan’izany, ireo polisy mamo eny an-dalambe izay niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera facebook ny sarin’izy ireo. Saonjo iray lohasaha tokoa tsy ilaozan’izay mamarara, araka ny fitenenana. Manome endrika ratsy ho an’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena anefa izany satria iray na roa ny manao ny ataony ka miara-mihosina manoloana ny hadalan’ny sasany ny rehetra. Tsy misy ambonin’ny lalàna rahateo fa natao hampiharina amin’izay mandika lalàna ny lalàna. Misy koa ireo voarohirohy ho miray tsikombakomba amin’ny asan-jiolahy sy tratra manao fanafihan-jiolahy. Na izany kosa aza, misy ny ezaka maha te-hidera vitan’ny polisim-pirenena amin’ny fandravana ireo tambajotran-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika sy mpaka an-keriny. Mitohy hatrany ny asan’ny polisy amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

    Randria

     

    Les commentaires sont fermées.