Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambatomirahavavy : lehilahy notondrahana asidra

    Ambatomirahavavy  : lehilahy notondrahana asidra

     Saron’ny polisy teny Analakely sy Anosibe, ny talata teo ireo jiolahy telo tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay raim-pianakaviana teny Ambatomirahavavy, ny 18 jolay 2016. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy misahana ny heloka bevava, ny kaomisera Ostrom Whenss, tonga nametraka fitoriana teny amin’ny polisin’ny BC ny havan’ilay raim-pianakaviana nisy namono. Novelesina hazobe teo amin’ny lohany izy ka tsy vitan’izay fa mbola notondrahana asidra ihany koa ny vatany manontolo. Nihevitra ireo jiolahy taorian’izay fa maty ilay niharam-boina ka navelany teo. Olona sendra nandalo teny an-toerana no nahita azy naratra mafy ka nitondra azy haingana teny amin’ny hopitaly. Tamin’ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana fa nisy olona telo niaraka taminy teny Ambatomirahavavy. Taorian’izay kosa no nitrangan’ilay vonoan’olona. Voalaza fa ananan’olona trosa ireto nahavanon-doza ka vavolombelona tamin’izay ilay niharam-boina  ka antony namonoana azy izao.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.