Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fièvre jaune : hamafisina ny fanaovana ny vaksiny amaril

     Na mbola tsy miparitaka eto amintsika aza ny aretina « fièvre jaune », tsy maintsy mitandrina ka manao ny vaksiny fiarovana vaccin amaril ny olona rehetra mivoaka eto Madagasikara hivahiny amin’ireo firenena izay ambony ny tahan’ny fifindran’ny tsimokaretina (Angola, Ghana, Congo, Kenya, Mali… Ireo vahiny avy amin’ny firenena efa ahitana ny tsimokaretin’ny fièvre jau ne koa, ka mandalo eto amintsika dia tsy maintsy nahavita ny vaccin amaril fiarovana amin’ny tsimokaretina. Takiana amin’izy ireo ny taratasy manamarina fa nanao ny vaksiny rehefa migadona eto. Ny fièvre jaune dia aretina avy amin’ny kaikitry ny moka Aedes. Ahitana azy betsaka amin’ny faritra maro aty Afrika, Amerika afovoany ary Amerika atsimo. Fomba iray hiarovana ny tsy hidiran’ny tsimokaretina aty amintsika ny fanaraha-maso ny olona rehetra mandeha sy tonga avy amin’ireo firenena voalaza fa ambony ny tahan’ny fifindrana, araka ny fampitam-baovao nandritra ny filankevitry ny governemanta ny talata lasa teo.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.