Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Gaby Vakiniadiana : « Tsy heloka ny hetsika an-dalambe »

    Tsy nitsitsy fitenenana. « Tsy heloka ny fidinana an-dalambe. Manana zo hanao izany ny vahoaka rehefa tonga amin’ny tsy azo anoharana sy feno ny kapoakany. Tohananay izany ka tongava maro fa tsy mety intsony izao fitondrana izao. Hanova rafitra sy olona isika », hoy ny sekretera jeneralin’ny Vami, Gaby Vakiniadiana, omaly tamin’ny resaka nifanaovana taminy. Niantso ny mpitandro filaminana ny tenany ny amin’ny tokony handraisany ny fepetra amin’ireo mihoa-pefy. « Hiaro ny vahoaka sy ny fananany ianareo ka sambory ireo mpanakorontana. Hitaky ny zony ireo vahoaka ho avy eo satria efa tsy mihaino intsony ny mpitondra. Hitsakitsahina ny lalàmpanorenana. Hoporofoinay amin’ny filoham-pirenena amin’io koa fa mahantra ny vahoaka ary tsy zakany intsony izao… », hoy ihany izy.

    Midika izany fa anisan’ireo hanamafy sy hanohana ny hetsiky ny AFP etsy amin’ny 13 mey anio ny Vami.

    Synèse R. 

    Les commentaires sont fermées.