Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mitaky fifampidinihana ny Amerikanina

     Nanao fanambarana, manoloana ny didy navoakan’ny  HCC ny herinandro teo momba ny lalàn’ny fifandraisana ny masoivoho amerikanina. « Manohana ny fanombohana ny fifanakalozan-kevitra madio sy malalaka eo amin’ireo mpisehatra rehetra voakasik’io lalàna io i Etazonia , mba hiantohana fa voahaja ny fenitra rehetra », hoy izy ireo. Notsiahivin’izy ireo ny fanamarihan’ny HCC tamin’io didy nivoaka io fa misy andalana vitsivitsy ilàna fanampim-panazavana mifanaraka amin’ireo fenitra anaty lalàmpanorenana sy ny fenitra na koa ny lalàna iraisam-pirenena.  Nanterin’ny Amerikanina koa fa singa fototra amin’ny demokrasia matanjaka iray ny asa fanaovan-gazety malalaka sy mavitrika.

    Tsiahivina fa efa nanao antso avo amin’ny tokony hifampidihan’ny mpisehatra rehetra momba io lalàn’ny fifandraisana io ny ambasadaoro amerikanina , nialoha ny nandaniana izany teny anivon’ny parlemanta. Nirosoan’ny fanjakana ihany anefa ny amboletra ary izao niafara amin’ny didy navoakan’ny HCC izao. Mbola manao antso na koa mitaky ny hifampidinihana hatrany anefa izy ireo…

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.