Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Oniversite Mahajanga : dimy taona ny sekolim-pandalinana lalàna

    Oniversite Mahajanga  : dimy taona ny sekolim-pandalinana lalàna

    Nahazo trano famakiam-boky ny sekolim-pandalinana lalàna sy hay politika (EDSP) ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga ao Ambondrona, izay notokanana ny faran’ny herinandro lasa teo. Feno dimy taona io sekolim-pandalinana io ka tao anatin’ny fanamarihana ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao. Avy amin’ny saram-piofanana ihany no nananganana ny trano famakiam-boky hanatsarana ny fanovozam-pahalalana hiatrehana ny rafitra LMD. 200 ny mpianatra raisina isan-taona ao amin’ny EDSP izay hamarana ny taom-pianarana 2016 amin’ny volana septambra ho avy izao.

    Nisy ny varavarana misokatra nampahafantarana ny sekolim-pandalinana narahina famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny mpianatra avy ao amin’ny école supérieure saint Gabriel Mahajanga ny alarobia teo. Hofaranana amin’ny fizarana sakafo eny amin’ny oniversite ny fankalazana rahampitso.

    Vonjy    

    Les commentaires sont fermées.