Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    “THB Tour” : Mahajanga Raikitra ihany na teo aza ny sakana

    “THB Tour” : Mahajanga Raikitra ihany na teo aza ny sakana

    Fanina tanteraka ny mpanara-baovao! Rehefa nisakana hatramin’ny farany ny hisian’ny hetsika “THB Tour” ao Mahajanga, nampiakatra ny raharaha teo anoloan’ny “Tribunal adminisitratif” ny fiadidiana ny tanànan’i Mahajanga. Namoaka didy hanantonana ny fanapahan-kevitry ny Préfet ito farany, omaly, izany hoe tokony nanafoanana ny hetsika.
    Etsy ankilany, nanambara ry zareo avy ao amin’ny STAR, izay mpikarakara fa “araka ny naoty n°01/16 – PREFET / SG / MGA /NT,  nivoaka omaly19 aogositra, nahazo alalana ny “THB Tour “eto Mahajanga ny 19 ka hatramin’ny 21 Aogositra. Io naoty io dia voasonian’i Préfet an’i Mahajanga, ary izy irery ihany no tompon’andraikim-panjakana mahefa afaka manome alalana amin’ny fanaovana fety ankalamanjana”.
    Araka izany, raikitra ihany ny lanonana teny amin’ny Sôma Beach, omaly, rehefa nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetra takina amin’izany ny mpikarakara.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.