Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    USAID : am-perinasa ny tale jeneraly Michelle Godette

    USAID  : am-perinasa ny tale jeneraly Michelle Godette

    Niditra voalohany tao amin’ny toeram-piasany, omaly, Rtoa Michelle Godette. Nataony vaindohan-draharaha ny nitafa niaraka tamin’ny mpiara-miasa rehetra.  Haharitra efa-taona ny hiasany eto Madagasikara.

    Hanohy ny asa sosialy mitsimbina ny vahoaka sahirana ny tenany. Betsaka ny fandaharanasan’ny USAID amin’ny faritra maromaro eto amintsika izay mifantoka betsaka amin’ny fitsimbinana ny maha olona.

    Tsy diso anjara amin’izany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Fanohanana ny tantsaha indrindra ny ady amin’ny kere any atsimon’ny Nosy.

    Marihina fa efa tale jeneralin’ny USAID tany Guinea sy tany Sierra Leone Rtoa Michelle Godette talohan’izao nanendrena azy eto Madagasikara izao. “Mahafaly anay ny fahatongavany hanohy ny asa tsara efa vitany amin’ny fanafoanana ny fahantrana mihoa-pampana, hanamafy ny demokrasia sy hiasa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy ireo mpiara-miasa aminy.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.