Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanohanana ny distrika : 200 tapitrisa Ar ho an’ny fotodrafitrasa maro

    200 tapitrisa Ar, tetibola ho an’ny CLD avy amin’ny tetibolam-panjakana ankapobeny, hanaovana tetikasa isan-karazany any anivon’ny distrika. Niaraka nitondra fanazavana momba izany ny sekretera jeneraly roa lahy, avy amin’ny  minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola sy  ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana.

     

    Nanome fanazavana mahakasika ny famatsiam-bola any am-potony na Comité local de développement (CLD),  isaky ny distrika isanisany, ny ao amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola miaraka amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. 200 tapitrisa Ar ny tetibola atokana ho amin’izany, ampiasana hifanaraka  amin’ny hetahetan’ny mponina any an- toerana sy izay fantatra fa hitondra fampandrosoana any amin’ireo distrika misy azy.

    Kasaina hatao avy amin’izany famatsiam-bola izany, any amin’ireny distrika ireny, ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, tohodrano ho an’ny fambolena sy ny famatsiana herinaratra, toeram-pitsaboana, sekoly, sns. Faritra maro, mijaly ny mponina noho ny tsy fisian’ireo fototradrafitrasa ireo, indrindra any amin’ireo distrika lavitra. Antony lehibe mahasarika ny olona mitsoa-ponenana ny tsy fisian’ireo fotodrafitrasa ireo ; antony iray lehibe hafa miteraka tsy fandriampahalemana any amin’ireny toerana ireny.

    Komity mandrafitra ny CLD

    Misy komity mandrafitra sy mpanapaka izay tetikasa hatao, momba izany CLD izany. Ao anatin’izany ny depiote sy loholona any an-toerana, ireo ben’ny Tanàna any amin’ny distrika isanisany ; manampy azy ireo izay lehiben’ny sampandraharaham-panjakana misy, solontenan’ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpandraharaha.

    Tsy misy fepetra hafa napetraka afa-tsy ny fanarahan-dalàna mifehy ny fampiasam-bolam-panjakana (marchés publics). Koa andrasana ny tatitra sy ny dingana vita isak’izay tetikasa tapaka, hisian’ny mangarahara avy amin’izany fampiasam-bolam-bahoaka izany.

    R.Mathieu

     

    Les commentaires sont fermées.