Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambilanibe Andavamamba : mpangalatra môtô niharan’ny fitsaram-bahoaka

    Ambilanibe Andavamamba : mpangalatra môtô niharan’ny fitsaram-bahoaka

     Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy tratran’ny olona nangalatra môtô teny Ambilanibe Andavamamba, ny zoma lasa teo raha tsy nalaky tonga ny polisy avy ao poste de police Ilanivato. Araka ny fanazavan’ny polisy, Ramaroson Gilbert Patrick na i Zaho, 41 taona ity jiolahy nangalatra môtô ity. Voalaza fa tratran’ny tompony teo am-pangalarana ilay môtô izy ka tsy namelan’ny olona fa niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Vokany, naratra mafy ilay  jiolahy. Niantso polisy avy ao Ilanivato ny olona ka tonga vetivety tey an-toerana ny polisy naka ilay jiolahy fa raha tsy izany matin’ny fokonolona teo izy. Nentina teny amin’ny hopitaly izy ka niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny polisy taorian’ny fitsaboana azy. Nahitana antsy tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Isan’ny toerana malaza ratsy amin’ny fanendahana sy halatra môtô iny toerana iny, koa aoka ho mailo hatrany.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.