Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : ezaka lehibe

    Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana sy ny vidin-javatra. Raha mandroso ny mpiasa, mazoto izy hiasa hampiroborobo ny orinasa mandoa ny karamany sy ny latsakembony any amin’ny Cnaps, hiatrehana izany fiakarana izany. Ezaka lehibe ny nataon’ny Cnaps,  namolavola lalàna ampiakarana ny fiahiana ara-tsosialy, ary miandry ny fampiharana azy amin’ny alalan’ny didy avoakan’ny fanjakana.

    Fanampiana ihany ny an’ny Cnaps, toy ilay “varialoha tsy mahavita taona” sady tompon’ny teny farany rahateo ny fanjakana sy ny mpitondra. Efa an-dalana koa ny fitsinjovan’ny Cnaps ny mpiasa tena, toy ny tantsaha sy ny mpanao asa tanana, ohatra, hanomezana ny fisotroan-dronono. Ezaka lehibe izany!

    Any ivelany, raha tsy hiteny afa-tsy i Frantsa, iantohan’ny fanjakana ny fandoavana ny  ampahany amin’ny fitsaboana, fanampiana ho an’ny tsy an’asa, ny mpamboly sy ny mpiompy, sns. Dikany, miankina amin’ny politikam-panjakana ny tena fampandrosoana ny fari-piainan’ny tsirairay fa tsy ny mpiasam-panjakana ihany.

    Njaka A.

     

    Les commentaires sont fermées.