Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Analamanga : nampitaovana ny kaominina 31 ny faritra

    Natolotry ny lehiben’ny faritra Analamanga, Rakotonanahary Ndranto, omaly teny Ambohidahy, ny fitaovana ho an’ny kaominina ho an’ny telo volana fahatelo. Fampitaovana fahatelo ho an’ity taona ity izao notanterahina omaly izao. Naharay fangatahana 260 ny faritra Analamanga, nanomboka ny volana janoary. Hahazo fanampiana manokana ny kaominina 31 ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo sy Anjozorobe. Tanjon’ny faritra ny hanampy ny distrika valo izay atao amin’ny alalan’ny fampitaovana. Fanitso, simenitra, vy, loko entina hanatsara ny fotodrafitrasa (sekoly, CSB, lalana…) eny anivon’ny kaominina no azon’ny kaominina.

    Nanentana ny mpiandraikitra ny kaominina hanome vahana ny asa tana-maro hanomezana andraikitra ny fokonolona ny faritra. Mila ampahatsiahivina koa ny vahoaka fa manana andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanàna. Homena vary sy voamaina izy ireo rehefa manao ny asa izay tohana avy amin’ny faritra ihany. Iandraiketan’ny faritra kosa ny fananganana ny trano ho an’ny tanora ho an’Ambohidratrimo izay efa eo an-dalam-pahavitany amin’izao fotoana izao.

    Ny volana marsa ny fampitaovana voalohany raha ny volana jona ny andiany faharoa.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.