Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Naiditra am-ponja ny filohan’ny Hafari Malagasy

    Naiditra am-ponja ny filohan’ny Hafari Malagasy

    Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora omaly, ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, noho ny fitoriana anenjehan’ny depiote Naivo Raholdina azy. Fantatra fa miisa 17 ireo raharaha anenjehana izay voalaza fa tsy mitombina avokoa ny ankamaroany. Teo koa ny nahavoarohirohy azy ho nisandoka andraikitra tamin’ny famindrana ireo mponina teny Namontana izay tsy nisy taratasy mazava. Ny 20 septambra 2016 ho avy izao kosa ny fitsarana azy. Hanao fanohanana didy kosa ny mpisolovava momba ity raharaha fisandohana andraikitra ity. Marihina fa teny amin’ny polisin’ny SUT, boriborintany voalohany sy fahadimy efa nanaovana famotorana azy mialoha ny niakaran’ny raharaha teny anivon’ny fampanoavana. Vory lanona teny amin’ny fitsarana ireo mpikambana ao amin’ny Hafari Malagasy, omaly nandritra ny fiakaran’izy ireo tao amin’ny fampanoavana.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.