Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Afrobasket Women U18 : hanainga, anio, ny ekipa malagasy

    Afrobasket Women U18  : hanainga, anio, ny ekipa malagasy

    Vonona. Hanainga, anio, hihazo an’i Le Caire, Egypta, ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja basikety, sokajy U18 zazavavy, na “Afrobasket Women U18”. Fifaninanana hotanterahin’ny federasiona aty Afrika (Fiba Afrique) miaraka amin’ny federasiona egyptianina, ny 27 aogositra – 4 septambra izao ao Le Caire.

    Nahazo tsodrano avy tamin’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) kosa ny ekipa nasionaly sy ireo teknisianina miaraka amin’izy ireo, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Anisan’ny nanome fanampiana ny ekipa nasionaly ihany koa ny federasiona.

    Ankoatra izay, anisan’ny manatevin-daharana ny ekipa nasionaly Rakotondrainibako Samantha. Mpilalao nohafaran’ny federasiona malagasy izy io. Tsy milalao eto an-toerana fa any Frantsa. Efa nanaraka fanazarantena niaraka amin’ireo mpilalao voafantina eto an-toerana, nandritra ny herinandro vitsivitsy, i Samantha.

    Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny delegasiona malagasy sady manager général-n’ny ekipa nasionaly, Rakotonanahary Ndranto, efa ao amin’ny tanjany sy ny heriny tsara ny mpilalao ary vonona hiatrika ny “Afrobasket Women U18”. Tanjona ny ho tafiditra amin’ny dingan’ny famaranana.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.