Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Aretina meningoencephalocele austine : nanolotra fanampiana ny fanjakana

    -Vao teraka no nitrangan’ny tsy fahatomombanana avy any am-bohoka antsoina hoe meningoencephalocele austine ilay zazavavikely avy any Ambalanjanakomby, Maevatanàna. Tsy nihidy tsara ny taolan’ny karandoha avy ao aoriana ka niteraka fivontosana ary marefo rahateo ny hoditra nandrakotra ny fivontosana. « Tsy maintsy natao ny fandidiana rehefa feno enim-bolana ny zaza, nitranga ny fahasarotana taorin’ny fandidiana satria nidiran’ny otrikaretina ny faritra nodidina ka mila fitsaboana ampiasana antibiotika mahery vaika », hoy ny iray amin’ireo ekipan’ny dokotera mikarakara ny marary. Nangataka fanampiana tamin’ny vadin’ny filoha ny fianakavian’ilay zazavavikely. Nandray ny vola tohana hanohizana ny fitsaboana avy amin-dRajaonarimampianina Voahangy, omaly, izy ireo. Mbola arahi-maso eny anivon’ny sampana fitsaboana ny zaza eny amin’ny Cenhosoa, Soavinandriana, ity marary ity amin’izao fotoana izao. Nisahana ny fandidiana sy ny fitsaboana ny sampana neurochirurgie fa manampy amin’ny fandraisana an-tanana ny sampana mpitsabo ny zaza manokana. Amin’ny ankapobeny, zaza iray isam-bolana no tratran’ny tsy fahatomombanana eo amin’ny loha miditra eny amin’ny Cenhosoa, araka ny fanazavan’ny mpitsabo, omaly teny Ambohitsorohitra.

    Hanomana lasy lehibe ny Mpanazava

    Ankoatra izay, iray amin’ireo notolorana fanampiana ara-bola  koa ny tovolahy kely 12 taona manana olana amin’ny maso. «Mivonto ny masony noho ny aretina kératocone ka mila fitsaboana haingana satria raha vaky ny fivontosana, tsy misy azo atao intsony », hoy ny reniny. Aretina tsy mateti-pitranga ny mahazo ity zazalahy ity. 10 ny fangatahana fanampiana ara-bola ho an’ny olon-tsotra na fikambanana novalin’ny vadin’ny filoha ka tafiditra amin’izany ny EPP ao Andriampamaky izay nanangana toeram-pandraisana ny kilonga madinika ka mila tohana ny fanohizana ny fotodrafitrasa. Manomana lasy lehibe sy tafasiry ho an’ny zazavavy koa ny fikambanana Mpanazava hamolavolana tolom-panabeazana vaovao mifanandrify amin’ny vanim-potoana ankehitriny, nahazo tohana koa ny fikambanana hiatrehana izany. Mankalaza ny faha-75 taona nijoroany ny Mpanazava.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.