Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Synoda lehibe any Antsirabe : voafidy sy tafapetraka ireo mpiandraikitra foiben’ny FJKM

     Hatramin’ny fotoana nanoratana, omaly alina, mitarika vonjimaika amin’ny fifidianana handrafitra ny mpiandraikitra foibe eo anivon’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Mitondra ny FJKM eny Androndra ny tenany. Manaraka akaiky azy eo, laharana faharoa, Radimisaona Jonah. Any amin’ny fahatelo kosa ny filoha lefitry ny FJKM am-perinasa, Zarazaka Jean Louis. Laharana fahefatra ny filoha mitarika ny synoda, ny pasitera Rakotonirina Charles raha efa any amin’ny laharana fahavalo kosa ny filohan’ny FJKM am-perinasa.

    Ho an’ny eo anivon’ny laika kosa, mitarika Radavidson Andriamparany. Mbola voka-pifidianana fihodinana voalohany io natao io ary nampiasana ny bileta tokana.

    Tsiahivina fa miisa zato ireo mpikambana mandrafitra ny mpiandraikitra foibe, ahitana mpitandrina 50 sy ny avy amin’ny laika 50 koa.

    Fifidianana ny handrafitra ny birao foiben’ny FJKM

    Taorian’ny fahavitan’ny fihodinana faharoa, tokony ho niroso amin’ny fifidianana ny handrafitra ny birao foiben’ny FJKM ireo mpizaika maherin’ny 400 any an-toerana rehefa tafapetraka ny filatsahan-kofidin’ireo mikasa ny hanao izany. Hirosoana avy eo ny fifidianana ka fidina voalohany ny ho filohan’ny FJKM. Manaraka izany ireo handrafitra ny filoha lefitra, ahitana solontena avy amin’ny mpitandrina sy ny eo anivon’ny laika.

    Synèse R.  

    Les commentaires sont fermées.