Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : amboletra…

    Tsy hitondra antsika mankaiza ny amboletra sy ny fanaovana bemarenina. Efa niainana teto izany ary tokony hahay haka lesona ny mpitondra nifanesy, araka ny hafatra sy ny fanambarana nataon’ny eveka farany teo. Tsy mba hijery kely akory ny tombontsoa iombonana sy ny hoavin’ny firenena fa mandeha an-jambany, tsy am-piheverana. Aza hadinoina fa mitovy ary tsy mifanalavitra amin’ny lalàmpanorenana anie io lalàn’ny fifandraisana sy ny serasera io e ! Mahakasika ny sehatra sy ny ambaratonga rehetra mihitsy, hatramin’ny olom-pirenena tsotra aza. Raha tena mijery lavitra tokoa ny mpitondra fa tsy ho an’ny anio sy rahampitso, tokony handinika sy hisaina lalina, manoloana izao fitakian’ny mpanao gazety izao. Tsy ho lasa lavitra ny jadona sy ny fanampenam-bava na koa ny fifehezana ny tsy fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ny asa fanaoavan-gazety. Mba diniho ihany e !

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.