Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rn4 : taksiborosy telo indray voatafika

    Rn4 : taksiborosy telo indray voatafika

    Tany amin’ny lalana hivoka ny RN4 ny alakamisy teo, tamin’ny 9 ora sy sasany alina, tany Berehareha Tsaratanana, taksiborosy telo indray voatafika. Maty voatifitra ny mpamily iray tamin’izany. Tsy nangalatra na nandroba ireo jiolahy fa rehefa avy nitifitra nahafaty ilay mpamily dia lasa nandositra. Nidina haingana tany an-toerana ny kaomandin’ny kaompania Tsaratanana sy ny zandary maromaro nijery ifotony ny zava-misy sy nanao ny fanenjehana. Tsy mbola nisy sarona ireo olon-dratsy na iray aza.

    Mahazo vahana, amin’izao fotoam-pilan-tsasatra izao, ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena, ary maromaro ny fiara efa voatafika izay. Manararaotra ny fahamaroan’ny fiara mandalo mitondra olona eny amin’ny lalam-pirenena amin’ny alina ireo jiolahy. Vao ny talata lasa teo, nisy fanafihana ihany koa teny Ankazobe. Voatery nasiana zandary mihitsy nisava lalana.

    Yves S.

     

    Les commentaires sont fermées.