Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Jazz it up ! » 2 : hahazo sehatra ny tanora

    « Jazz it up ! » 2 : hahazo sehatra ny tanora

    Hotanterahina, ny zoma 2 septambra izao etsy amin’ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba, ny andiany faharoa amin’ny « Jazz it up !», karakarain’ny Jazz club ao amin’ity foibe ity ihany. Araka izany anarany izany, fotoana iray hanandratana ny mozika jazz io. Anisan’ny hampiavaka ity andiany faharoa ity ny fahitana fa mihatanora hatrany ireo hiaka-tsehatra, raha mitaha ny tamin’ny andiany voalohany. Ankoatra izany, mihamaro koa ny tanora manan-talenta, indrindra, amin’ny fitendrena mozika jazz.

    Hanome sehatra ireo tanora mpikambana ao amin’ny Jazz club an’ny AFT ny « Jazz it up ! » andiany faharoa. Handray anjara ao i Andy Razafindrazaka, tovolahikely vao valo taona monja kanefa efa manana tarika mpiangaly jazz. Eo koa ry Jazz Quart, « tremplin » na nasandratry ny hetsika « Madajazzcar » tamin’ny taona 2013. Ankoatra ireo, haneho ny talentany ry Trio Raoelison, izy telo mianaka samy mankafy ary miangaly fatratra ity mozika ity. Tsy adinoina i Elie Ramasindraibe, filohan’ny Jazz club an’ny AFT, tsy zovina intsony eo amin’ity tontolo ity.

    Fa hampiavaka ny « Jazz it up ! », amin’ity taona ity, ny nanasan’ny mpikarakara vahiny mirahalahy. Tsy iza izany fa i Mendrika sy Fanaiky  Rasolomahatratra, samy tsy zovina intsony eo amin’ny sehatry ny mozika malagasy, indrindra ny jazz.

    Landy R.

    Les commentaires sont fermées.