Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    EPP Anosisoa : nizarana fitaovana ireo sahirana

    EPP Anosisoa : nizarana fitaovana ireo sahirana

    Ho tohin’ny asa sosialy nataon’ny Boriborintany fahaenina tamin’ity taona 2016 ity, toy ny fanomezana kojakoja fisakafoana ho an’ny renim-pianakaviana, fizarana harendrina ho an’ireo ankizy… notanterahina ny herinandro lasa teo tao amin’ ny EPP Anosisoa-Ambohimanarina ny fizarana fitaovam-pianarana « kit scolaire » ho an’ireo ankizy sahirana izay hiatrika fanadinam-panjakana miisa 98.
    Tanjona ny hananan’ireo ankizy herim-po sy fanantenana hanohy ny fianarany. Manome lanja manokana sy mandray an-tànana ny sehatra fanabeazana ny tompon’andraikitra satria ny fananana olona feno fahalalana no harena voalohany indrindra sady antoky ny fampandrosoana.
    Marihona fa tsy tanteraka izao hetsika izao raha tsy nisy ny fiaraha-miasan’ny Boriborintany fahenina sy ny VIVO Energy izay orinasa mivarotra solika Shell, manao asa  sosialy toy ny fanabeazana, fikojana ny tontolo iainana, fizarana kojakoja ho an’ireo ankizy sahirana.

    Tsy mijanona hatreo ny hetsika fa mbola maro ireo ezaka hanampiana ny sekoly sy ny fampianarana hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny tena sahirana.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.