Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifaninanana hazakazaka : handray anjara ny ankizy

    Hiova tsy toy ny mahazatra. “Hanampy amin’ny fiarahana maneho ny firaisankina amin’ity taona ity ny fifaninanana hazakazaka mifampitohy ho an’ireo sekoly, hanentanana azy ireo hifototra amin’ity taranja olympika voalohany ity”, hoy ny filohan’ny federasion’ny atletisma, Ramanantsoa Norolalao, afakomaly teny Alarobia. Tsy ho toy ny isan-taona izany ity hazakazaka ho an’ny rehetra, hatao ny alahady 29 janoary izao, ity, etsy amin’ny farihin’Anosy. Noferana ho 12 mianadahy, ahitana lahy sy vavy enina avy, ireo mpianatra mandrafitra ny ekipa iray amin’ity hetsika indray mandeha ity. “Hifarana ny 28 janoary izao ny fisoratana anarana ary natokana ho an’ny ankizy 14 sy 15 taona izany. Afaka manana ekipa roa ny sekoly iray”, hoy ihany izy.

    Tsiahivina fa 2 km ny halavirana hihazakazahana etsy Anosy io ary hitarika ny ekipa ny zazalahy raha hamarana izany kosa ny zazavavy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.