Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Talenta vao : mivoy ny mozika afrikanina i Stephan N.

    Talenta vao : mivoy ny mozika afrikanina i Stephan N.

    Stephant Nangayo, mpanakanto tanora, zanaky ny faritry Sofia, avy ao Mandrisara, raha ny marina kokoa.  Tsy misalasala maneho ny fankafizany ny mozika avy aty amin’ny tany mafana sy ny dihy mampiavaka an’i Afrika izy. Fototry ny mozikan’ny tovolahy ny “coupé-décalé”, izay misandrahaka hatrany amin’ny filalaovana ny salegy, zouk love, …

    “Tsy ny gadona irery no anehoako ny kanto avy aty Afrika fa eo ihany koa ny fomba fandihy avy any Côte d’Ivoire sy ny firenena hafa”, hoy ny tovolahy, izay manan-talenta amin’ny famoronan-kira koa. Miainga amin’ireo endri-piarahamonina andavanandro ny asa fomoronany.

    Nentin’i Stephan Nangayo nambaboana ny maro ny “Diso calcul”, sanganasa efa vita rakitsary. Hita taratra anatin’ireo voka-kanton’ity mpanakanto ity fa voafehiny tokoa ny filalaovana ny mozika afrikanina sy ny fanehoana ny soradihy mifanaraka amin’izany. Misokatra malalaka amin’izay rehetra vonona hizotra miaraka ho amin’ny fanandratana avo ny mozikan’i Afrika ny tovolahy.

    Landy R.

     

    Les commentaires sont fermées.