Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ankasina sy Andavamamba : diovina ao anatin’ny 10 andro ny tanàna

    Ankasina sy Andavamamba : diovina ao anatin’ny 10 andro ny tanàna

    Nidina tetsy amin’ny fanasan-damba etsy Ankasina nijery ny olana mianjady ireo mpanasa lamba ny ekipan’ny CUA. Tsy ampy ny toerana fanahazan-damba ka nanapa-kevitra ny kaominina hanadio ny toerana rehetra manodidina, sy ny lakandrano satria maloto loatra eny an-toerana. Tsy maharaka ny RF2 sy ny sefo fokontany, koa hanaovana asa tana-maro na (Himo) ny fanadiovana.

    Mandritra ny 10 andro no anaovana izany fanadiovana izany miaraka amin’ny fokontany. Hodinihana kosa ny fanorenana fanasan-damba vaovao ka ny fikambanam-behivavy mpanasa lamba ihany no hitantana azy.
    Nanentana ny mponina eny Ankasina sy ny sefom-pokontany koa ny ekipan’ny kaominina ary niheno ny hetahetan’ny mponina toy ny fahateren’ny lalana mivoaka mankany amin’ny arabe noho’ny fisian’ireo orinasa sinoa miorina ao anatin’ny tanàna ka manery ny lalana.

    Eo koa ny fitarainana mikasika ny tsy fisian’ny jiro, ireo fitarainan’ny olona may trano tamin’iny taona lasa iny ka ho raisin’ny ben’ny Tanàna ny alatsinainy izao izy ireo. Mbola misy olona 14 tsy manan-trano eo Ankasina noho ny voina nitranga tamin’ny taon-dasa teo iny.
    Notsidihan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-dia aminy kosa avy eo ny EPP teny  67 ha Avaratra Atsinanana sy ny EPP ao Andavamamba. Misy mpianatra 1314 ao amin’ny 67 ha Avaratra Atsinanana, ary 1010 kosa ny ao Andavamamba.

    Misakafo any an-tsekoly avokoa ireo izay iantohan’ny Pam. Ny CARE kosa no namatsy ny kojakoja fandrahoan-tsakafo. Hita fa betsaka ny dabilio simba sy ny varavarankely koa nilaza ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao fa hanampy amin’ny fanamboarana ireny, ary tsy miandry fotoana ela. Nanasa ny mpianatra ihany koa ny ben’ny Tanàna hitsidika ny lapan’ny Tanàna ka iantohan’ny kaominina ny fitaterana ireo mpianatra.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.