Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Indostria malagasy sy frantsay : zahana manokana ny fanohanana ireo mpampiasa vola

    Indostria malagasy sy frantsay : zahana manokana ny fanohanana ireo mpampiasa vola

     Betsaka indrindra ny an’ny Frantsay amin’ireo orinasa tantanan’ny vahiny eto Madagasikara. Ahitana orinasa goavana frantsay eto, ohatra, Air Liquide, Bouygues, Orange, Lafarge, Société Générale, Vivendi, Total. Manampy an’ireo orinasa any amin’ny sehatra maro, fizahantany, faritra afakaba, sns. Noho izany, ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’i Frantsa sy Madagasikara.

     Manome lanja ny fiaraha-miasa amin’ny indostria malagasy hatrany ry zareo Frantsay. Nanamafy izany ny fitsidihan’ny loholona, Olivier Cadic, misolotena ny indostria frantsay, ny ministry ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, Chabani Nourdine, ny 4 janoary teo. “Vonona izahay hiara-miasa maharitra amin’ny indostria eto Madagasikara, samy ahitan’ny andaniny sy ankilany tombontsoa mitovy”, hoy i Olivier Cadic tamin’ny minisitra malagasy.

    Koa nojeren’ny tompon’andraikitra roa tonta ny fepetra tokony ho raisina hisian’ny fifanakalozana eo amin’ny orinasa malagasy sy frantsay. Nozahana manokana tamin’izany ny fanohanana ireo mpampiasa vola amin’ny sehatry ny indostria. Tamin’io fihaonana io koa nitatitra tamin’ny minisitra Chabani Nourdine, ireo fahasahiranana maro diavin’ny indostria frantsay eto an-toerana ny loholona Olivier Cadic. Navoitra indrindra amin’izany fahasahiranana izany ny olana amin’ny herinaratra sy ny kolikoly. Fahavoazana mahazo ny indostria malagasy ihany koa ireo.

    Mahafantatra tsara ny tontolon’ny sehatra tsy miankina ity delagasiona frantsay ity. Nitokana ny toerana fiaraha-midinika eo amin’ny samy mpandraharaha eny amin’ny Maison Laborde Andohalo ny tenany, faritra hanohanan’i Frantsa ny tanora mpandraharaha malagasy, na lahy na vavy. Efa vita sonia ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny tanora mpandraharaha sy ny Organisation internationale de la francophonie (OIF), miaraka amin’ny minisiteran’ny Indostria, nandritra  ny fivoriamben’ny Frankofonia farany natao teto amintsika.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.