Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Malagasy miara-miainga : « Tsy sahy miady hevitra ny Praiminisitra »

    Malagasy miara-miainga  : « Tsy sahy miady hevitra ny Praiminisitra »

    Tonga teny amin’ny ORTM Anosy ny solontenan’ny Antoko Malagasy miara-miainga, omaly hanomana amin’ilay adihevitra tokony hataon’ny lehiben’ny mpanohitra miaraka amin’ny lehiben’ny governemanta isaky ny zoma fahatelon’ny volana janoary. « Hita taratra fa tsy sahy ary tsy vonona hanatanteraka izany ny fitondrana na efa nisy taratasy  nalefan’ny antoko ho an’ny Praiminisitra sy teny anivon’ny ORTM, handefa mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny adihevitra aza », hoy ny Me Rakotomalala Rija sy ny ekipan’ny antoko raha nijery ny hanomanana izany adihevitra izany. Navezivezy nihaona amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ORTM izy ireo. Nilaza ho tsy nahalala izany avokoa na efa samy naharay ny taratasy aza ireo tompon’andraikitra rehetra. Nanontaniana izany, manomboka amin’ny mpitantsoratra ka hatrany amin’ny talen’ny RNM sy ny fiantsoana an-telefaonina ny talen’ny ORTM. Fantatra fa lasa any Toliary ny Praiminisitra Mahafaly. Nodiana fanina avokoa izany rehetra izany sa tahotra ?

    Tsy manana finiavana hanara-dalàna ny mpitondra

    Tsiahivina fa tsy maintsy tanterahina ny ady hevitra eo amin’ny lehiben’ny mpanohitra sy ny lehiben’ny governemanta ny zoma fahatelon’ny volana janoary, araka ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fanoherana. Na nolavin’ny HCC aza ny fangatahan’ny antoko Malagasy miara-miainga ny hanendry ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, mijoro amin’ny maha mpanohitra azy ny antokon’Andrianainarivelo Hajo. Midika izany fa tsy manana finiavana hanara-dalàna ny mpitondra ary tsy hita soritra ny maha tany demokratika antsika nefa, ambetin-tenin’ny filohampirenena izany. Singa ilazana fa firenena demokratika ny fijoroan’ny mpanohitra eny  anivon’ny fahefana mpanao lalana. Raha tian’ny mpitondra sy ny filoham-pirenena ny hizahozaho fa firenena demokratika isika, tokonyhiady hampijoro ny mpanohitra eny Tsimbazaza  izy ireo, mba ho entina manatsara ny fanaovana politika eto sy mba isian’ny fifandanjan-kery ho fampandrosoana ny firenena.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.